(Translated by https://www.hiragana.jp/)
Isa tafolo — Wikipedia

Ny isa tafolo dia isa azo soratana amin' ny fampiasana tarehimarika voafetra isa aorian' ny faingo. Vokatry ny fizaràna ny isa iray amin' ny toraky ny 10 ny isa tafolo ka noho izany dia karazana isa voasaina.

Toerana misy ny isa tafolo eo anivon' ny karazana isa rehetra

Ny isa tafolo dia ahafahana manombana ny isa voatsapa rehetra sady ahafahana manao kajy sy fampitahana amin' ireo sanda ireo miaraka amin' ny fomba fiasa mitovy amin' izay ampiasaina amin' ny isa tsy mivaly amin' ny fanisana tafolo. Tondroina amin' ny litera D ny vondron' ny isa tafolo.

Nitarika ny fananganana ny rafi-pandrefesana matrika nandritra ny Revôlisiôna Frantsay ny fampiasana azy ireo, izay niely tamin' ny taonjato faha-10 tany amin' ny Arabo ka hatramin' ny taonjato faha-16 tany amin' ny Tandrefana, tamin' ny asan' i François Viète sy i Simon Stevin.

Jereo koa

hanova