(Translated by https://www.hiragana.jp/)
Melanezia — Wikipedia Aller au contenu

Melanezia

Avy amin'i Wikipedia
Tsy tohanana intsony ny kinova azo atao pirinty ary mety misy lesoka amin'ny famoronana. Azafady mba havaozy ny famantarana ny mpitety tranonkala ary ampiasao ny asan'ny fanontana tsipalotra.
Sarin-tany maneho an' i Melanezia

I Melanezia dia iray amin' ireo vondro-nosy telo lehibe ao amin' ny Ôseana Pasifika, izay mamorona an' i Ôseania. Ity famondronana ara-jeôgrafia ity dia toherin' ny mpahay jeôgrafia sasany, nefa ampiasaina matetika izany sy ireo firenena voakasika. Ny anarana hoe Melanezia dia avy amin' ny teny grika hoe μέλας / mélas, "mainty", sy ny hoe νにゅーῆσος / nễsos, "nosy", ka midika hoe "nosy mainty".

Fitsinjaràm-paritra ara-pôlitika

Ny tantaran' ny fitsinjaràm-paritra

Taorian' ny fandehanan' i Jules Dumont d'Urville tany amin' ny faritr' i Melanezia hamantatra ny zava-misy any dia nanao soso-kevitra tamin' ny Société de géograophie tao Parisy izy tamin' ny taona 1831 momba ny fandaminana vaovao an' i Pasifika ho faritra efatra, dia:

  • i Pôlinezia (midika hoe "nosy maro"),
  • i Melanezia ("nosy mainty"),
  • i Mikrônezia ("nosy kely") ary
  • i Malezia (izay nesorina taty aoriana tsy ho ao amin' ny kôntinentan' i Ôseania).

I Melanezia araka ny mahazatra

Sarin-tany maneho ny faritr' i Melanezia

I Melanezia, araka ny famaritana mahazatra, dia miendrika reni-tsipika ao avaratra sy avaratra-atsinanan' i Aostralia sy ao atsimon' i Mikrônezia. Heverina fa isan' i Melanezia ireto fanjakana na tany manaraka ireto:

Ireo fanjakana na faritany ireo dia tsy mandrafitra vondrona ara-pôlitika ranoray.

Ny teny hoe "melaneziana" dia ampiasaina amin' ny haifiteny amin' ny fitenenenana hoe "fiteny mezô-melaneziana", izay manondro zana-bondron' ny sampam-piteny ôseanianan' ireo fiteny aostrôneziana, tenenina ao Papoazia-Ginea-Vaovao sy ao amin' ireo nosy Sôlômôna.

Sarin-tany maneho ny fizaràm-paritr' i Ôseania.

Jereo koa

Fizaràm-paritra any Ôseania: