Akady

Avy amin'i Wikipedia
La version imprimable n’est plus prise en charge et peut comporter des erreurs de génération. Veuillez mettre à jour les signets de votre navigateur et utiliser à la place la fonction d’impression par défaut de celui-ci.
Fanjakan'i Akady

I Akady na Agady dia tanàna tany Mesôpôtamia izay niavian' ny anaran' ny fanjakana sy ny fitondra-mpanjaka iray fianakaviana (dinastia) tamin' ny taonjato faha-24 hatramin' ny faha-22 tal. J.K.

Tamin' ny taona 2335 tal. J.K. dia nanararaotra ny fahalemen' ny fanjakana someriana ilay Semita atao hoe Sargôna Zokiny ka nanorina ny tanànan' i Akady. Rehefa azon' i Sargôna ny tanànan' i Somera dia nataony renivohitry ny fanjakany izay niitatra hatrany amin' ny Helodrano Persika ka hatrany amin' ny Ranomasina Mediternea i Akady.

Naharitra nihoatra ny taonjato iray ny fanjakan' ireo mpanjaka akadiana ary nantsoina hoe "mpanjakan' i Somera sy Akady" ireo mpanjaka ireo. Rehefa tonga teo amin'ny fanjakana ny zafikelin' i Sargôna atao hoe Narama-Sina (taona 2255 hatramin' ny 2218 tal. J.K.) dia nanomboka nanafika ka niditra tao amin' ny fanjakany ireo Goteana, izay vahoaka mpiady avy any amin' ny tendrombohitra Zagrosa, sady nandroba sy nandrodana ny tanànan' i Akady. Rava tamin'ny taonjato manaraka ny fanjakan' i Somera sy Akady rehefa tonga tamin'ny fara tampon' ny tanjany.

Jereo koa: