(Translated by https://www.hiragana.jp/)
Solus Christus — Wikipedia Aller au contenu

Solus Christus

Avy amin'i Wikipedia
Tsy tohanana intsony ny kinova azo atao pirinty ary mety misy lesoka amin'ny famoronana. Azafady mba havaozy ny famantarana ny mpitety tranonkala ary ampiasao ny asan'ny fanontana tsipalotra.

Ny andian-teny latina hoe Solus Christus, izay midika ara-bakiteny hoe "Kristy irery", dia manambara fa ny famonjena ny fanahin' ny olombelona dia tsy maitsy mandalo amin' i Kristy mivantana sy amin' ny alalany irery ihany. Adika amin' ny teny malagasy hoe "Kristy irery ihany" na "Jesosy irery ihany" io andian-teny io. Izany dia midika fa i Jesoa Kristy no hany mpanelanelana fa tsy ny mpitondra fivavahana. Ity ainga fototra ity, izay mampiavaka manokana ny prôtestantisma dia isan' ireo andian-teny filamatra dimy manomboka amin' ny teny hoe Sola izay andrin' ny sôteriôlôjia prôtestanta. Azo soratana hoe Solo Christo izay mlidika hoe "amin' ny alalan' i Kristy irery" io andian-teny io.

Tsy mitovy amin' ny lahateny mahazatra ny toritenin' i Lotera izay tsy miakina amin' ny foto-pampianarana sy ny lovantsofina na lovam-pampianaran' ny Fiangonana katôlika tao Rôma. Mihevitra i Lotera fa ao amin' ny Baiboly no misy ny foto-pivoasana ao amin' ny Filazantsara (na Evajely) sy ny Epistily (na Taratasy) momba an' i Jesoa Kristy, indrindra ao amin' ny Epistily ho an' ny Rômana; amin' ny Prôtestanta miorina amin' ny Solus Christus, izany dia mifandray amin' ireo fanambaràna lehibe ao amin' ny Fanekem-pinoana apôstôlika sy ny fanekem-pinoana hafa rehetra noraisin' ny ankamaroan' ny Prôtestanta toy ny Fanekem-pinoana aogostana. Ny hoe Solus Christus dia manambara fa ny famonjena ny fanahin' ny olombelona dia tsy amin' ny alalan' ny fanelanelanan' ny andrim-pivavahana (latina: institutio) na ny olona masina na ny sisan-javatra navelan' ny maty (latina: reliquiae).

Jereo koa