(Translated by https://www.hiragana.jp/)
Androngo — Wikipedia Aller au contenu

Androngo

Avy amin'i Wikipedia
Androngo

Ny androngo dia biby mandady misy tongony efatra, mivelona eny an-tsaha sy eny amin' ny tamboho sy ny rindrin' ny trano ary ananaty hazo. Ao amin' ny filaharana Squamata. Samy manana tongotra efatra izy ireo, sofina mibaribary tsy misy ampongabentsofina ivelany, vatana rakotra kirany ary samy miofo. Ny fianakaviana sasany izay maneho ny teny ankapoben' ny teny hoe "androngo", toy ny Lacertidae, dia mety hamoy an-tsitrapo ny rambony raha misy herisetra sady manana hodi-maso afa-lihetsika. Tsy toy izany no zava-misy amin' ny karazana rehetra avondrona amin' io anarana io: ohatra ny Gekkonidae sy ny Xantusiidae dia tsy mamela ny rambony ho tapala ary tsy manana hodi-maso mihetsika. Misy karazana androngo eo amin' ny 3 750 eo ho eo eran-tany, azo antoka fa maherin' ny 3 000, ny loharano sasany manohana ny isa 4 450.

Ao amin' ny kolontsaina

[hanova | hanova ny fango]

Ohabolana malagasy

[hanova | hanova ny fango]
  • Androngo an' asa: ka samy miaro ny rambony tsy ho tapaka.
  • Androngo efa hita ka na mitsipelika aza tsy mahataitra intsony.
  • Androngolahy manetsa: mandro matetika vao mavo lamosina.
  • Aza manao androngolahy milanja voantay, ka izy milanja ny manga indray no milaza manehi-nify.
  • Androngo may, antsiantsy mirehitra: izay may mamonjy rano.
  • Androngo miditra ala, ny tompon-tany no mialoha lalana.
  • Androngo milanja lolo: be am-pitondrana fa kely am-pihinanana.
  • Androngo milanja vonin' avoko: ny mihinana tsy toy inona, fa ny mielo mena no tsy tanty.
  • Androngo nahazo voangory: ny mihinana tsy toy inona, fa ny mamolapolaka ny elany no tsy tanty.
  • Androngo: tapaka vao mirebika.
  • Aza manao dian' androngo, fa manaova dian-tana.
  • Bibilava nisambotra androngo ka manantena ny fahalavana.
  • Manihika an-tanety ka androngo no azo.
  • Ny antsiantsy no manana anaka ka ny androngo no vaky manta.
  • Ny sitry no manana anaka, ka ny androngo no sanganehena.
  • Rafotsibe leon-toho: ny androngokely avy no andosirana.
  • Tsikovo-dohataona: manidina hanin' ny vorona, mipetraka hanin' ny androngo.
  • Tsy soa tsy ratsy miendrik’ androngo: hatao tsara, longilongy vava; hatao ratsy, be soratsoratra.
  • Valaben' ny androngo ny ampiantany, fa tsy misy mpiahy.