Fampianaran-diso (fivavahana)
![](https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/b/bd/Galileo_before_the_Holy_Office.jpg/280px-Galileo_before_the_Holy_Office.jpg)
Ny fampianaran-diso na finoan-diso na herezia na heresia, raha ara-tantara, dia fampianaram-pinoana izay heverin' ireo ao amin' ny fivavahana arahin' ny maro anisa, na ao amin' ny fivavahana ôfisialy, fa mifanohitra amin' ny fampianarana marina tena izy (izay atao hoe ôrtôdôksia). Nampiasaina indrindra ny teny hoe heresia tamin' ny tantaran' ny fivavahana kristiana hanoherana ireo manao foto-pampianarana (dôktrina) na tenim-pinoana (dôgma) momba an' i Kristy sy ny Trinite na lohahevitra hafa tsy mifanaraka amin' izay tapaka amin' ny kônsily, indrindra ny tamin' ireo kônsily ekiomenika. Matetika dia ampangaina ho manao fampianaran-diso ny mpifanandrina ara-pampianarana amin' ny tena.
Atao hoe heretika na ny mpampiana-diso na ny mpanaraka finoan-diso. Ny mpitarika na ny lehiben' ny herezia iray dia atao ho hereziarka (grika:
Tamin' ny Andro Taloha dia nenti-nilaza ny sekolim-pandinihana iray manokana ny teny grika hoe
Nampiasaina hilazana ny zava-mitranga ao amin' ireo fivavahana hafa toy ny finoana silamo sy ny jodaisma, sns koa ny teny hoe herezia taty aoriana. Miitatra hatrany ny hevitry ny teny hoe herezia ka ilazana izay fampianarana sy fiheverana rehetra mifanohitra amin' izay heverina fa efa eken' ny be sy ny maro, na tsy momba ny fivavahana sy ny finoana aza izany.
Fiforonan-teny
[hanova | hanova ny fango]Ny teny nogasina hoe herezia na heresia, izay nadika hoe fampianaran-diso na finoan-diso, dia avy amin' ny teny grika hoe
Tsy tokony hafangaro ny fampianaran-diso (na herezia) sy ny fandavana ny finoana (na apôstazia) izay fialan' ny olona iray amin' ny fivavahana narahiny. Tsy afangaro amin' ny fitetenan-dratsy an' Andriamanitra sy ny zava-masina (na blasfemia) koa izany.
Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ "Hérésie", in Microsoft Encarta 2009. 1993-2008 Microsoft Corporation.