Firenena nôrdika

Avy amin'i Wikipedia
Manga, ny firenena manana kolontsaina nôrdika any Eorôpa Avaratra: skandinaviana (manga mazava), fenika (manga maizina). Maitso, Letônia sy Litoania, firenena baltika roa.

Ny Firenena nôrdika ireo firenena ao amin' ny faritra ara-tantara any Eorôpa Avaratra sy ao amin' ny Ranomasimbe Arktika atsimo ary manana ny kolontsainy avy nefa misy toetra iraisana. Ny firenena izay manana kolontsaina lazaina fa nôdika dia ahitana vahoaka maro manana kolontsaina sy fiteny jermanika skandinaviana sy/na fenika, sama, inoita, ary koa baltika kely kokoa.

Ny fitambaran' ny pôlitikan' ny firenena nôrdika dia naorina nandritra ny tantara miaraka amin' ny fitaoman' ny vahoaka skandinaviana (Soeda, Danemarka ary Nôrvezy ankehitriny) amin' ny faritra manodidina hatramin' ny vanim-potoan' ny Vikingy, niteraka ady, nefa koa fifanakalozana ara-toekarena sy ara-kolontsaina amin' ny vahoaka any amin' ny firenena samihafa.

Ny teny hoe "firenena nôrdika" ampiasain' ny haino aman-jery sy ny andrim-panjakana ara-pôlitika matetika dia manondro ny firenena dimy voakasiky ny fiaraha-miasa nôrdika (indrindra fa ny Filankevitra Nôrdika) ary tsy voatery ahitana firenena hafa manana kolontsaina nôrdika, izay lova nôrdika na milaza tena ho toy ny toy izany.

Indreto ireo firenena ireo: Soeda, Danemarka, Nôrvezy, Litoania ary Letônia.