(Translated by https://www.hiragana.jp/)
Janosy (andriamanitra) — Wikipedia Aller au contenu

Janosy (andriamanitra)

Avy amin'i Wikipedia
Janosy

I Janosy dia andriamanitra rôman' ny fiandohana sy ny fiafarana, ny safidy, ny fandalovana ary ny varavarana. Manana tava roa izy, ka ny iray mitodika mankany amin' ny lasa, ary ny iray mankany amin' ny hoavy. Ny volana natokana ho azy, ny Januarius ("Janoary"), dia manamarika ny fiandohan' ny faran' ny taona tao amin' ny tetiandro rômana. Ankalazaina amin' ny 1 Janoary izy.

Ao amin' ny Forum ao Rôma no misy ny tempoliny. Araka ny fombafomba dia mivoha amin' ny fotoana misy ady io tempoly io ary mihidy amin' ny fotoanan' ny fandriam-pahalemana. Ny iray amin' ny havoanan' i Rôma, i Janiculum (teny latina) na Gianicolo (teny italiana), dia natokana ho azy. Andriamanitra laharana voalohany ao amin' ny ambaratonga ara-pivavahana rômana izy, hany tokana miaraka amin' i Jopitera sy i Marsa izay atao hoe "Andriamanitra Ray", Janospatera (Januspater).