(Translated by https://www.hiragana.jp/)
Jona (volana) — Wikipedia Aller au contenu

Jona (volana)

Avy amin'i Wikipedia
Sarivongan' ny andriamanibavy Jonô.

Ny volana Jona na Jiona dia volana fahenina ao amin' ny tetiandro gregôriana sy joliana. Tamin' ny Andro Taloha dia volana fahefatra tao amin' ny tetiandro rômana io volana io.

Ny anarany dia avy amin' ny teny latina hoe Junius, nomena, araka ny filazan' i Ôvidio, ho fanomezam-boninahitra ny andriamanibavy rômana Jonô (Juno). Misy koa famotora-teny iray hafa azo atao dia ny hoe Junius (mensis), ny volan' i Lokio Jonio Broto (Lucius Junius Brutus), ilay mpanorina ny Repoblika Rômana.

Ny volana Jona dia volana voalohany amin' ny fahavaratra any amin' ny ila-bolantany avaratra fa volana voalohany amin' ny ririnina any amin' ny ila-bolantany atsimo (ny sôlstisy dia mitranga amin' ny 19, 20, 21 na 22 Jona).

Ireo zavatra nitranga tamin' ny Jona

[hanova | hanova ny fango]

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]