(Translated by https://www.hiragana.jp/)
Matoanteny andry — Wikipedia Aller au contenu

Matoanteny andry

Avy amin'i Wikipedia

Ny matoanteny andry dia matoanteny ampiasaina hampitohizana ny lazaina amin' ny entimilaza. Maro ny fiteny mampiasa matoanteny andry ka isan' izany ny fiteny frantsay sy ny fiteny anglisy rehefa tsy matoanteny ny teny (loha-tarika) ao amin' ny entimilaza. Ny fiteny frantsay dia mampiasa indrindra ny matoanteny être fa ny fiteny anglisy kosa dia mampiasa ny matoanteny be. Tsy afangaro amin' ny anjara asa mpanampy ny anjara asa andry. Tsy ny fiteny rehetra no manana matoanteny andry ary misy ireo izay tsy mampiasa azy raha tsy amin' ny lafin-javatra sasany ara-pitsipiteny ihany. Ny fiteny rosiana dia tsy mampiasa matoanteny andry amin' ny fehezanteny amin' ny filazam-potoana ankehitriny sy amin' ny endri-pehezanteny manambara.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]