(Translated by https://www.hiragana.jp/)
Onja lava — Wikipedia Aller au contenu

Onja lava

Avy amin'i Wikipedia

Ny onja lava dia ny fampiasana fari-katetika 30 kHzきろへるつ hatramin'i 300 kHzきろへるつ amin'ny fampielezana fampahalalana.

Fampiasana

[hanova | hanova ny fango]

Balizy tsy mitondro

[hanova | hanova ny fango]

Ny balizy tsy mitondro dia mampita ho an'ireo mpahita tari-dalana amin'onja (radio direction finder, RDF) amin'ny fahitan-dalana amin'ny fiaramanidina na amin'ny sambo. Izy ireo dia fantatra amin'ny alalan'ny kaody Morse. Ny hatetik'onjan'izy ireo dia 190 hatramin'ny 1.750 kHzきろへるつ. Amin'ny Faritra ITU 1, ny fetra ambany indrindra dia 280 kHzきろへるつ.

Famantaranandro

[hanova | hanova ny fango]

Amin'ny valan-katetika 40-80 kHzきろへるつ dia ahitana ireo famantaranandro an'onja. Ohatra:

  • WWVB ao Colorado: 60 kHzきろへるつ;
  • DFC77 ao Frankfurt am Main, Alemaina: 77 kHzきろへるつ;
  • JJY ao Japana: 40 sy 60 kHzきろへるつ
  • 66,66 kHzきろへるつ ao Rosia
  • BPC ao Lintong, Sina: 68,5 kHzきろへるつ;

Ireo famantaranandro entin'onja dia mahazo ny ora amin'ny alalana mpandray onja naorina tao anatiny. Izy ireo dia mampiasa onja lava fa tsy onja fohy na onja afovoany, satria tsy iharan'ny fiovana vokatry ny soson-drio ny onja; noho izy ireo miely amin'ny alalan'ny tany fa tsy amin'ny alalan'ny lanitra, ka tsy miovaova ny fotoam-pielezany.

Fifandraisan-tafika

[hanova | hanova ny fango]

Ireo firenena toa i Fanjakana Mitambatra, Federasionan'i Rosia, Etazonia, Alemaina na Soeda dia mampiasa hatetik'onja latsaky ny 50 kHzきろへるつ amin'ny fifandraisana amin'ny sambo ambanin-dranony

Fampiasana amin'ny fampielezam-peo

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin'ny faritra ITU voalohany ihany no ampiasana ny onja lava amin'ny fampielezam-peo. Ireo mpampiely feo dia hita ao Eoropa, Mongolia, Aljeria ary Maroka.

Hatetika mitondra

[hanova | hanova ny fango]

Ireo hatetika mitondra dia songatombon'ny 9 kHzきろへるつ manomboka amin'ny 153 hatramin'ny 279 kHzきろへるつ, afatsy ho an'ny onjam-peo Europe #1 ao Alemaina. Ao Mongolia, ny hatetik'onja dia mifanelanelana 10 kHzきろへるつ.

Fifandraisan-davitra

[hanova | hanova ny fango]

Lisitry ny onjam-peo amin'ny onja lava

[hanova | hanova ny fango]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.