Paragoay
I Paragoay dia firenena ao Amerika Atsimo. Ny renivohiny dia i Asunción. Ny tanàna lehibe indrindra dia Asunción. Mirefy 406 752 km2 ny velaran-taniny ary miisa 6 561 748 ny mponiny araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2011. Ny faritr' ora dia –4.
Firenena tsy manana morontsiraka i Paragoay, ny Renirano Paraguay dia mamakivaky ilay firenena avy any avaratra mankany atsimo ary mizara ny tanim-pirenena ho faritra roa mifanipaka. Any amin' ny faritra andrefana, i Chaco (na Paragoay Andrefana) dia lemak' antsanga, rakotra zavamanry maitso sy heniheny ary alan-kazo madinika. Any atsinanana, i Paragoay Atsinanana dia mifanandrify indrindra amin' ny fitohizan' ny Lembalemba Paraná, izay mahaforona faritanin-drano lehibe ahitana korian-drano (i Paraná Ambony sy i Paraguay ary i Pilcomayo), ny Farihy Ypoá ary korian-drano mahafinaritra maro (indrindra ny riandranon' i Guairá). Rakotra ala mikitroka i Paragoay Atsinanana.
Manodidina ny 95 % amin' ny Paragoaiana no mipetraka any amin' ny faritra atsinanana. Kristianina ny ankamaroan' ireo mponina ireo.
Ny fambolena sy ny fanodinana sakafo no iompanan' ny toekaren' i Paragoay. Manana loharanon-kerin' aratra tena lehibe koa ilay firenena: saika ny herin' aratra rehetra ao amin' io firenena io dia avy amin' ny tohodranon' i Itaipú, eo amin' ny ony Paraná (any atsimo-atsinanana, eo amin' ny sisintany manasarana azy amin' i Brezily). Malemy noho ny krizy ara-bola izay namely an' i Amerika Atsimo tamin' ny faramparan' ny taompolo 1990 anefa ny toekaren' i Paragoay.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Firenena ao Amerika: Antigoa-sy-Barboda - Arjentina - Bahamasy - Barbady - Belizy - Bôlivia - Brezila - Dôminika - Ekoadôra - Etazonia - Goatemala - Goiana - Grenady - Haity -Hôndorasy - Jamaîka - Kanada - Kioba - Kôlômbia - Kôsta Rika - Meksika - Nikaragoa - Orogoay - Panama - Paragoay - Però - Pôrtô Rikô - Repoblika Dôminikana - Salvadôro - Santa Losia - Santa-Kity-sy-Nevisy - Santa-Vinsanta-sy-Grenadina - Silia - Sorinama - Trinite-sy-Tôbagô -Venezoela
- Kôntinenta eto an-tany: Afrika - Amerika (Amerika Avaratra - Amerika Atsimo) - Azia - Eorôpa - Ôseania - Antarktika