(Translated by https://www.hiragana.jp/)
Presbiterianisma — Wikipedia Aller au contenu

Presbiterianisma

Avy amin'i Wikipedia

Ny presbiterianisma dia endriky ny prôtestantisma kalvinista izay nivoatra indrindra tao Ekôsy avy eo tao Irlandy Avaratra ary tany Etazonia. Ny fototra ara-teôlôjia dia itoviany amin' ny Fiangonana nohavaozina rehetra, nefa nampiasaina manokana ny teny hoe presbiteriana mba hanondroana ireo fiangonana miteny anglisy amin' ny ankamaroany izay anisan' ireo nanaraka ny fombam-pivavahana nolovaina tamin' ny Fiangonan' i Ekôsy. Ny ankamaroan' ny Kalvinista anglisy, izay atao hoe poritàna (anglisy: puritans) amin' ny ankapobeny, dia nitoetra niaraka tao amin' ny Fiangonan' i Angletera, izay nitandrina ny fiekem-pinoana kalvinista, dia ny Fiekem-pinoan' i Westminster, afa-tsy ireo izay niezaka ny hahazoan' ny Fiangonana fahaleovan-tena tanteraka amin' ny Fanjakana, ka nanjary kôngregasiônalista. Ny ezaka famitana iraka (misiona) hampiely ny Filazantsara dia nandroso tokoa teo amin' ireo Presbiteriana ka nitarika famoronana fiangonana presbiteriana maneran-tany.