(Translated by https://www.hiragana.jp/)
Alimo — Wikipedia Aller au contenu

Alimo

Avy amin'i Wikipedia
Alimo

Ny alimo dia metaly maro taharo vokatry ny fanatsonihana miaraka ny varahina amin' ny metaly hafa. Amin' ny heviny tery kokoa dia iantsoana ny fanakambanana ny varahina sy ny firapotsy ny hoe "alimo". Amin' ny ankapobeny dia ny 54 % n' ny taharon' ny alimo dia varahina (izay mety hiakatra hatrany amin' ny 95 %) ary ny sisa dia mety ho firapotsy na viraty, firamainty, beriliôma, manganezy ary tongstena, ary mety hahitana koa silisiôma sy fôsfôro, ny fanitso ihany no tsy atao be.

Mananana toetra mampiavaka azy ny alimo, dia izy ela tonta, tsy moramora laninan' ny asidra sady afaka mampita aratra tsara. Ampiasaina matetika hanaovana fitaovam-pifampikasohana amin' ny tsỳ ny alimo. Ny fihinananan' ny asidra ny alimo dia sakana lehibe amin' ny fampisana azy amin' ny sehatry ny fifamoivoizana an-dranomasina sy amin' ny taozava-baventin' ny fanamboarana sambo.

Ny teny hoe "alimo" dia tsy tokony hafangaro amin' ny hoe "alominiôma" na "viraty".

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]