Etona

Avy amin'i Wikipedia

Ny etona dia vondron' atôma na môlekiola malemy fifamatorana sady saika tsy mifampiakina. Rehefa maka ny toetran' etona ny raha dia tsy manana endrika sy hadiry raikitra: miezaka mameno ny hadiry sisa amin' ny zavatra miaty azy ny etona. Izany toetran' ny etona izany dia iray amin' ny toetra mety hananan' ny raha madio tsy mifangaro, ny toetra hafa dia ny an' ny vainga, ny an' ny ranoka ary ny an' ny plasma (ity farany dia manakaiky ny toetran' ny etona, fa ny mapiavaka azy dia izy afaka mampitohy aratra). Ny fiampitan' ny toetra ranoka amin' ny toetra etona no atao hoe fietona. Ny lanja isam-bentin-kadirin' ny zavatra iray dia mahatratra ny farany ambany indrindra rehefa amin' ny toetra etona izy. Mihena izany raha mihena ny tsindry (lalànan' i Gay-Lussac sy lalànan' i Charles) na raha mitombo ny maripana (miitatra ny etona amin' izany).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]