(Translated by https://www.hiragana.jp/)
Liberià — Wikipedia Aller au contenu

Liberià

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Liberia)
Liberià {{ }}
((mg))
Sainan'i Liberia Fanevan'i Liberia
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny ofisialy English
Renivohitra Monrovia
[[|Monrovia]]
Fitondrana sy governemanta
 -
Repoblika
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 103
111 369 km²
13.5%
Isam-ponina
 - Tontaliny (2008)
 - hakitroka
faha 130
3 476 608 mpo.
35,5 mpo./km²


Anaran'ny mponina
Sandam-bola Liberian dollar (LRD)
Faritr'ora UTC +0
Hiram-pirenena "The love of liberty brought us here"
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+231

I Liberià na ny Repoblikan' i Liberià dia firenena ao Afrika Andrefana izay manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika, sady manana velaran-tany mirefy 99 067 km². I Monrovia no renivohiny, miray sisin-tany ao avaratra-andrefana amin' i Siera Leôna, ao avaratra amin' i Ginea ary ao atsinanana amin' i Kôtidivoara, i Atlantika no mamaritra azy avy avy ao atsimo-atsimo-atsinanana sy andrefana-atsimo-andrefana. Nisy mponina miisa 4 299 944 i Liberià tamin' ny taona 2016. Atao hoe Liberiana ny vahoakan' io firenena io.

Manana morontsiraka mirefy 600 km any ho any ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika i Liberià. Mifandimby eny amin' ny morontsiraka ny tany lemaka misy fambolena sy ny alan-tany orana. Ny any afovoan' ny tany dia anjakan' ny lembalemba sy alan-jana-pehintany midadasika.

Ny mponina ao Liberià dia voarafitry ny vondrom-poko roa lehibe, dia ny vahoaka tompon-tany (95 %n' ny mponina) sy ny Amerikanô-Liberiana (taranaky ny andevo nafahana avy any Etazonia tamin' ny taonjato faha-19).

Manana korian-drano betsaka sy harena an-kibon' ny tany betsaka koa (toy ny vy sy ny volamena, ary ny diamondra) i Liberià. Niankina tamin' ny fanondranana akora fanodina sy vokatra fototra ny toekaren' i Liberià talohan' ny ady an-trano tamin' ny taona 1988, fa nandritra sy taorian' izay dia nidina ambany dia ambany izany toekarena izany.

Sarin-tanin' i Liberia

I Liberià no firenena nahazo fahaleovan-tena voalohany aty Afrika, tamin' ny taona 1847. Ny fiteny anglisy no fiteny ôfisialiny, nefa misy fiteny afrikana maro izay ampiasain' ny olona andavavandro.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Afrika:

Afrika Atsimo - Alzeria - Angôla - Benino - Borkina Fasô - Borondy - Bôtsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny (Soazilandy taloha) - Etiôpia - Gabôna - Gambia - Ganà - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatôrialy - Jibotỳ - Kamerona - Kapvera - Kenia - Kômôro - Kôtidivoara - Lezôtô - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Malỳ - Maorisy - Maoritania - Marôka - Môzambika - Namibia - Nizera - Nizeria - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika - Repoblika Demôkratikan' i Kôngô - Repoblikan' i Afrika Afovoany - Repoblikan' i Kôngô - Roanda - Saô Tôme e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leôna - Sodàna - Sodàna Atsimo - Sômalia - Sômalilandy - Tanzania - Tôgô - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe


Kôntinenta eto an-tany