(Translated by https://www.hiragana.jp/)
Plôtinôsy — Wikipedia Aller au contenu

Plôtinôsy

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Plotin)
Plôtinôsy
Ankapobeny
Anarana Plôtinôsy
Teraka taona 203
Maty taona 270
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Ejipta
Asa :
Fiainana manokana

I Plôtinôsy dia filôzôfa platônisiana helenista, grika-rômanina niana tamin' ny tapany farany amin' ny Andro Taloha, teraka tany Ejipta nofehezn' ny Rômana tamin' ny taona 204 na 205 sy lehibe tany ary maty tamin' ny taona 270. Atao hoe Πぱいλらむだωおめがτたうῖνος / Plōtînos izy amin' ny teny grika.

I Amôniôsy Sakasy (grika: Ἀμμώνιος Σしぐまαあるふぁκかっぱκかっぱᾶς / Ammônios Sakkâs), izay filôzôfa nampiana-tena sady anisan' ny mpandala ny filôzôfian' i Platôna, no mpampianatra an' i Plôtonôsy. Heverin' ny manam-pahaizana môderina ho mpanorina ny neôplatônisma i Plôtinôsy. Izy no solontena manan-danja teo amin' ny hetsika filôzôfika neôplatônisiana: amin' ny alalany dia niatrika ny hetsika gnôstika isan-karazany izay manakaiky ny kristianisma sy ny manikeisma ny fandinihana grika klasika nanomboka taminy. Mpanohy an' izany antsoina hoe Gaius Musonius Rufus sy Lucius Annaeus Seneca ary Epiktetôsy izany i Plôtinôsy izay anisan' ny filôzôfa lehibe tamin' ny vanim-potoan' ny Empira Rômana ary olon-kendry tany Gresy.

Ny mpahay tantara tamin' ny taonjato faha-19 no namorona ny teny hoe "neôplatônisma" ary nampiasa izany mba hanondroana an' i Plôtinôsy sy ny filôzôfiany, izay nisy fiantraikany be tamin' ny faramparan' ny Andro Taloha sy tamin' ny Andro Antenatenany ary tamin' ny Renaissance.

Ny ankamaroan' ny fampahalalana momba ny fiainan' i Plôtinôsy dia avy amin' ny sasin-tenin' i Pôrfiriôsy (grika: Πορφύριος / Porphýrios) tamin' ny fanontany ny asasoratra malaza indrindra nataon' i Plôtinôsy, ny Ἐννεάδες / Enneades. Tao amin' ireo asasorany momba ny metafizika i Plôtinôsy dia namaritra foto-javatra telo: ny ἕνにゅー / hen "Iray", ny νにゅーοおみくろんῦς / noûs "Saina" na "Faharanitan-tsaina" ary ny ψυχή / psukhḗ, "Fanahy". Ny asasorany dia nanome aingam-panahy nandritra ny taonjato maro ho an' ny metafizisiana sy mistika paganista, jiosy, kristiana, gnôstika, ary mozilmana tany am-boalohany, anisan' izany ny famolavolana fitsipi-piainana izay nisy fiantraikany amin' ny foto-kevitra ara-teôlôjia mahazatra ao amin' ny fivavahana maro, toy ny asasorany momba ny fifanoheran-droa ao anatin' ny "Iray" noho ny fanananany toetra metafizika roa.

Nanorina ny sekoliny tany Rôma izy tamin' ny taona 246, ary i Amelius no mpianany voalohany. Loharanon' aingam-panahy lehibe ho an' ny fandinihana kristianina izay vao teraka tamin' izany fotoana izany ny famerenany mamaky ny asasoratr' i Platôna atao hoe Resadresaka, indrindra ho an' i Aogostino avy any Hipôna, ary nisy fiantraikany lalina teo amin' ny filôzôfia tandrefana izany. Navoakan’ i Pôrfirôsy avy any Tirôsy, (na Tiro) izay mpianatr' i Plôtinôsy, ny fitambaran' ny asasorany rehetra, izay nampitambatra azy ireo tamin' ny endrika Ἐννεάδες / Enneades tao anatin' ny andian-dahatsoratra sivy.

Ny mampiavaka ny fandinihan' i Plôtinôsy dia ny fieritreretany be pitsiny sy saro-takarina, novolavolaina avy amin' ny filôzôfian' i Platôna sy ny an' i Aristôty, ary ifangaroana sy itambaran' ny metafizika sy ny mistika. Amin' i Plôtinôsy dia misy fototra telo, izay tena misy tokoa, izao rehetra izao: ny Iray (grika: τたうὸ ἕνにゅー / to hen) sy ny Faharanitan-tsaina (grika: νにゅーοおみくろんῦς / noûs) ary ny Fanahy (grika: ψυχή / psukhê). Ny olombelona, ​​izay anisan' ny tontolo tsapa, dia tsy maintsy miakatra avy ao amin' ny Fanahy mankany amin' ny Saina, avy eo avy ao amin' ny Saina mankany amin' ny Iray, amin' ny alalan' ny ambaratonga avo indrindra amin' ny fiatiana, ka manatanteraka firaisana mistika amin' ilay Andriamanitra ambony indrindra. Ny fikatsahana famonjena tokoa mantsy dia midika ho fiakarana ara-panahy ho an' ny Fanahy, lavitra an' izao tontolo eto ambany izao, "mihoatra ny saina sy ny fahalalana" (ἐπέκεινα νにゅーοおみくろんκかっぱαあるふぁὶ νοήσεως / epekeina noû kai voêseôs), mankany amin' ny tena zava-misy marina, ny Tsara, izay foto-javatra ambony indrindra, izay tsy inona fa ny Hatsaran' endrika, izay antsoin' i Plôtinôsy hoe "ny Iray" na "Andriamanitra".

Sady tsy mistisisma kristiana no tsy fieritreretana an' Andriamanitra ataon' ny mpanaraka ny misteran' i Eleosisy ny filôzôfian' i Plôtinôsy izay famporisihana hahatonga antsika hody any amin' ny tena tanindrazantsika, izany no dikan' ny fanoharana momba an' i Ôdiseosy (grika: Ὀδυσσεύς / Odysseús) na Ulysses resahin' i Plôtinôsy: aleon' i Ôdiseosy niverina tany Ithake (grika: Ἰθάκη / Ithákê) tanindrazany toy izay ny odin' i Kirke na Sirse (grika: Κίρκη / Kírkê) sy ny hatsaran-tarehin' i Kalipsô (grika: Καλυψώ / Kalupsố). Manasa antsika hamerina ny fifandraisam-pianakaviana ara-ôntôlôjia amin' Andriamanitra amin' ny alalan' ny asketisma manadio i Plôtinôsy. Amin' ny alalan' ny fahatsapana manindry mandry ny "Faharanitan-tsaina miredaredam-pitiavana", io fiakarana ara-panahy io dia mitarika ny fanahy, izay tafatambatra amin' ny farany, nialan' ny amby tsy ilaina rehetra sy ny maha-izy ny tsirairay izay nanakana azy tao anatin' ny fetrany, ho tonga "fahazavana tena izy" sy hahita "ny famirapiratana araka an' Andriamanitra an' ny hatsaran-toetra sy ny fandanjalanjana mipetraka eo amin' ny seza fiandrianana masina”. Araka izany fahatakarana izany, io fanadiovana io, araka ny tenin' i Jean Trouillard, dia "mamaha ny fatoran' ny fanahy, tsy hanitrika azy ao anatin' ny hantsana lalina mifono zava-miafina izay manafoana azy, fa hamerina amin' ny maha masina azy ny halehibeny sy ny fahazavam-pahitany”.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]
  • Ao amin'i Freebase: [1]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]