(Translated by https://www.hiragana.jp/)
Sotro — Wikipedia Aller au contenu

Sotro

Avy amin'i Wikipedia
Sotro

Ny sotro dia fitaovana misy toa lohany boribory na miendrika silak' atody, lempona anatiny sy mivohitra ivelany, sady misy tahony fihazonana azy, izay natao hitondrana sakafo na rano na fanafody, sns any am-bava. Ampiasaina koa ny sotro hangaroana na hamindrana na hamatrana ventin-javatra na ranon-javatra anaty na avy amin' ny vilany na vilia na fitoeran-javatra iray mankamin' ny iray hafa.

Sotro hazo betsileo (Madagasikara)

Ny sotro amin' izao fotoana izao dia vita amin' ny metaly (indrindra fa volafotsy na metaly voahosotra volafotsy), amin' ny hazo, amin' ny bakoly na amin' ny plastika. Maro dia maro ny karazana sotro izay vita amin' ny akora isan-karazany ary avy amin' ny kolontsaina samihafa izay natokana ho an' ny hampiasaina amin' ny zavatra maro samihafa.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]