Varahimavo
Apparence
Ny varahimavo na sabamavo dia tsaman' ny varahina (Cu) sy ny fanitso (Zn), izay miloko mavo, mpampita aratra sy hafanana tsara sady mora volavolaina. Arakaraka ny tanjona anamboarana azy dia mety hahitana firamainty (Pb) na firapotsy (Sn) na nikela (Ni) na krôma (Cr) na maneziôma (Mg) koa ny taharon' ny varahimavo.